Finoana Loharanom-pitahiana

Ny momba ny Finoana Loharanom-pitahiana

Ankapobeny

Tokana ihany ny fototra niaingan’ny FLP; dia ilay finoana an-Janahary namorona izao rehetra izao, tompon’i Abrahama. Mifamatotra tanteraka amin'ny natiora ny fomban-Janahary, na tany am-piandohana na eto Madagasikara ka manasokajy azy ireo ho zava-masina eo anatrehaNy, tahaka ny fanaovana sorona “omby marin-dia” sy ny fampiasana zava-maniry toy ny falimiakatra, mandravasarotra, hasina, ...

Soatoavina

Ny MARINA, ny RARINY ary ny HITSINY dia teboka telo lehibe tsy maintsy hajaina satria lalàna napetraky ny Mpahary, andry ijoroan’ny finoana izany. "Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon'ny loha."


Masina ny fihavanana, sarobidy ny fifankatiavana, ary manan-danja ny firaisankina araky ny didin’Ilay Mpahary. Ireo soatoavina ireo dia anisan’ireo hafatra ampitain’ny Finoana LOHARANOM-PITAHIANA eo anivon'izao tontolo izao. “Zanahary tsy mahafoy tapak’olona”. “Mifankatiava, miraisa hina, aza mitana lolom-po na amin'iza na amin’iza.”

Fahadiovana

Fony tany ampiandohana dia efa namorona ny tsara sy ny ratsy Ny Zanahary, ny mazava sy ny maizina, ny ambony sy ny ambany. Izany rehetra izany no midika fa misy tontolo roa mifanohitra eto amin’izao tontolo izao, izay niandohan'ny fady sy ny fomba. Hany ka ireo singa rehetra mifanohitra amin’ireo voatendrin-Janahary dia voarara avokoa.


Ny fahadiovana sy ny fahamasinan’ny vatana no mampidina ny Fanahy Masina ao aminy. Koa mila tsinjovina hatrany ny fady. Voasokajy mazava tsara ireo zavamanan'aina na zavaboary tsy afaka mifandray amin’Ny Zanahary, toy ny kisoa sy ireo biby rehetra tsy mandinika sy tsy mivaky kitro, ny osy, ny tongolo fa tsy sanatria “Manimanina ny tongolon’Egypta”. Tsaroana ihany koa ny fihetsika amam-pitondran-tena, ny fahadiovam-po sy fanetrentena ary ny teny aloaky ny vava, izany no nahatonga ny razantsika nanafatra hoe avadimbadio impito aloha ny lela mialohan’ny hitenenana.


Ny tontolo madio no toerana masina finidin’Ny Zanahary iderana Azy. Izany hoe toerana madio izay tsy mba lalovan’ny loto, ny faty.

Fisehon'ny Finoana Loharanom-pitahiana amin'ny kolontsaina malagasy

Noho ny fipetrahan’ny FLP eto Madagasikara dia maro amin’ny kolontsaina malagasy no nifototra tamin'ny fomban’Ilay Mpahary: ny mozika, ny hira sy ny dihy ary ny fitafy sy ny taovolo, …

Zavamaneno

Ny Zanahary dia deraina amin’ny alalan’ny karazan-javamaneno samihafa tahaka ny Valiha, ny apongalahy, ny lamako, ny tsikadraha, ny korintsana, ny jejivoatovo, ny lokanga gasy, …

Ny valiha, izay zavamaneno masina dia namboarina araky ny didin’Ny Zanahary tao amin’ny Finoana Loharanom-pitahiana izay tsy afaka misaraka Aminy. Ankehitriny ny Valiha dia nanjary ilay zavamaneno mampalaza an’i Madagasikara manerana izao tontolo izao.

Hira sy Dihy

Toy ny manandratra ny vavaka any amin'ny Ray Mpahary ihany ny mihira mandritra ny fotoam-piderana. Antsaina amin'izany ny Hiran'ny Ntaolo sy ireo hira masina isan-karazany.

Ny "DIHIN'NY NTAOLO" dia ilay dihy fanao fiderana Ilay Mpahary. Tsy nijanona ho ao amin'ny Lapa irery intsony izany, fa natao teny amin'ny fiarahamonina mba hitaratra ilay fihavanana sy firaisankina ary fahendrena nampahafantarin'Ny Ray antsika.

Fitafy sy Taovolo

Ny fitafy sy ny taovolo entina mivavaka dia manaraka didy avy Amin’Ny Zanahary avokoa : ny fitafiana lamba tahaka ny "sampilahy” sy ny “sikina” sy ny tanaivoho, izay efa fomba fanao hatrizay izany.

Fomba amam-panao

Fony tany ampiandohana dia nametraka fomba sy fitsipika harahina Ny Zanahary ho fiarovana ny olombelona sy ny fiarahamonina. Hita taratra eny amin’ny fomba amampanao malagasy maro izany.

Anisan’izany ny famorana izay mariky ny faneken’i Abrahama an’Ny Zanahary, ary ho fanavahana ny mpino Azy amin’izao tontolo izao.

Ankoatra izany dia misy ihany koa ireo fomba ara-pinoana hafa, toy ny fanandroana, izay fomba efa niaraka tamin’Ny Zanahary hatrizay.

Misy ihany koa ny fanajana ny fomban-tany, izay natao hifehezana ny zavaboary sy hiarovana ny olombelona amin’ny loza rehetra, anisan’izany ny fahalavoana, ny tondran-drano, ny hain-tany, ny havandra, sy ny maro hafa.

Araka izany dia nisy fitsipika napetraka teny amin’ny fiarahamonina tahaka ny tsy fahafahana miompy biby mainty, ny tsy fahafahana mamoaka vilany mainty eny rehetra eny @ andro maitso ahitra (fahavaratra), ny tsy fahafahana mipai-bato raha mbola misy vary eny an-tsaha, ny fandroana sy fandikana afo rehefa avy mandevina, ny tsy fandevenana amin’ny andro talata, …

Fanontaniana mipetraka matetika

Iza Zanahary ? +
Zanahary no Namorona antsika, Namorona izao rehetra izao, Tompon'i Abrahama.
Inona no atao hoe "Fady" ? +
Ny fady dia ireo zavatra raran'Ny Zanahary.
Nahoana no fady ny kisoa ? +
Fady ny kisoa satria biby tsy mandinika sy tsy mivaky kitro.
Nahoana no fady ny tongolo ? +
Fady ny tongolo satria tandindon’ny fanandevozana nihatra teo amin’ny zanaky Ny Zanahary tany Egypta fahagola. Ho mariky ny fahafahana azon’Ny Mpinon’Ny Zanahary dia fadiana ny tongolo.
Inona no atao hoe FLP ? +
Ny FLP dia ny Finoana Loharanom-pitahiana.

Hifandray aminay

Raha mbola misy ireo fanontaniana tianao apetraka dia mandefasa hafatra.

Fepetra fampiasana

Amin’ny fampiasana ity tranonkala ity dia manaiky ny fepetra fampiasana ianao.

Azafady vakio ny fepetra fampiasana mba hahafantaranao ny zonao sy ny adidinao.