Fiangonana Loharanom-pitahiana

Ny momba ny Fiangonana Loharanom-pitahiana

Généralités

Tokana ihany ny fototra niaingan'ny FLP ; dia ilay finoana an-Janahary namorona izao rehetra izao, tompon'i Abrahama. Mifamatotra tanteraka amin'ny natiora ny fomban-Janahary, na tany am-piandohana na eto Madagasikara ka manasokajy azy ireo ho zava-masina eo antrehaNy, tahaka ny fanaovana sorona "omby marin-dia" sy ny fampiasana zava-maniry toy ny falimiakatra, mandravasarotra, hasina, ...

Nos Valeurs

Ny MARINA, ny RARINY ary ny HITSINY dia teboka telo lehibe tsy maintsy hajaina satria lalàna napetraky ny Mpahary, andry ijoroan'ny finoana izany. "Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon'ny loha".

Masina ny fihavanana, sarobidy ny fifankatiavana, ary manan-danja ny firaisankina araky ny didin'Ilay Mpahary. Ireo soatoavina ireo dia anisan'ireo hafatra ampitain'ny fiangonana LOHARANOM-PITAHIANA eo anivon'izao tontolo izao. "Mifankatiava, miraisa hina, aza mitana lolom-po na amin'iza na amin'iza."

Fahadiovana

Fony tany ampiandohana dia efa namorona ny tsara sy ny ratsy Ny Zanahary, ny maizina sy ny mazava, ny ambony sy ny ambany. Izany rehetra izany no midika fa misy tontolo roa mifanohitra eto amin'izao tontolo izao, izay niandohan'ny fady sy ny fomba. Hany ka ireo singa rehetra mifanohitra amin'ireo voatendrin-Janahary dia vorara avokoa.

Ny fahadiovana sy ny fahamasinan'ny vatana no mampidina ny Fanahy Masina ao aminy. Koa mila tsinjovina hatrany ny fady. Voasokajy mazava tsara ireo zavamanan'aina na zavaboary tsy afaka mifandray amin'Ny Zanahary, toy ny kisoa sy ireo biby rehetra tsy mandinika sy tsy mivaky kitro, ny osy, ny tongolo fa tsy sanatria "Manimanina ny tongolon'Egypta". Tsaroana ihany koa ny fihetsika amam-pitondran-tena, ny fahadiovam-po sy fanetrentena ary ny teny aloaky ny vava, izany no nahatonga ny razantsika nanafatra hoe avadimbadio impito aloha ny lela mialohan'ny hitenenana.

Ny tontolo madio no toerana masina finidin'Ny Zanahary iderana Azy. Izany hoe toerana madio izay tsy mba lalovan'ny loto, ny faty.

Ny kolointsaina malagasy sy ny Fiangonana Loharanom-pitahiana

Maro amin'ny kolontsaina malagasy no nifototra tamin'ny fomba fiderana Ilay Mpahary: ny mozika, ny hira sy ny dihy ary ny fitafy sy ny taovolo.

Ny mozika

Ny Zanahary dia deraina amin'ny alalan'ny karazan-javamaneno samihafa tahaka ny Valiha, ny apongalahy, ny lamako, ny tsikadraha, ny korintsana, ny jejivoatovo, ny lokanga gasy, …

Ny valiha, izay zavamaneno masina dia namboarina araky ny didin'Ny Zanahary tao amin'ny Fiangonana Loharanom-pitahiana izay tsy afaka misaraka Aminy. Ankehitriny ny Valiha dia nanjary ilay zavamaneno mampalaza an'i Madagasikara manerana izao tontolo izao.

Ny hira sy ny dihy

Toy ny manandratra ny vavaka any amin'ny Ray Mpahary ihany ny mihira mandritra ny fotoam-piderana [ao an-dapa na amin'ny toerana masina voafidin-Janahary]. Antsaina amin'izany ny Hiran'ny Ntaolo sy ireo hira masina isan-karazany.

Ny "DIHIN'NY NTAOLO" dia ilay dihy fanao fiderana Ilay Mpahary. Tsy nijanona ho ao amin'ny Lapa irery intsony izany, fa natao teny amin'ny fiarahamonina mba hitaratra ilay fihavanana sy firaisankina ary fahendrena nampahafantarin'Ny Ray antsika.

Ny fitafy sy ny taovolo

Ny fitafy sy ny taovolo entina mivavaka dia manaraka didy avy Amin'Ny Zanahary avokoa : ny tanaivoho sy ny fitafiana lamba tahaka ny "sampilahy", izay efa fomba fanao hatrizay izany.

Ny kolontsaina malagasy sy ny Fiangonana Loharanom-pitahiana

Maro amin'ny kolontsaina malagasy no nifototra tamin'ny fomba fiderana Ilay Mpahary: ny mozika, ny hira sy ny dihy ary ny fitafy sy ny taovolo.

Zava-maneno

Ny Zanahary dia deraina amin'ny alalan'ny karazan-javamaneno samihafa tahaka ny Valiha, ny apongalahy, ny lamako, ny tsikadraha, ny korintsana, ny jejivoatovo, ny lokanga gasy, ….

Ny valiha, izay zavamaneno masina dia namboarina araky ny didin'Ny Zanahary tao amin'ny Fiangonana Loharanom-pitahiana izay tsy afaka misaraka Aminy. Ankehitriny ny Valiha dia nanjary ilay zavamaneno mampalaza an'i Madagasikara manerana izao tontolo izao.

Hira & Dihy

Toy ny manandratra ny vavaka any amin'ny Ray Mpahary ihany ny mihira mandritra ny fotoam-piderana [ao an-dapa na amin'ny toerana masina voafidin-Janahary]. Antsaina amin'izany ny Hiran'ny Ntaolo sy ireo hira masina isan-karazany.

Ny "DIHIN'NY NTAOLO" dia ilay dihy fanao fiderana Ilay Mpahary. Tsy nijanona ho ao amin'ny Lapa irery intsony izany, fa natao teny amin'ny fiarahamonina mba hitaratra ilay fihavanana sy firaisankina ary fahendrena nampahafantarin'Ny Ray antsika.

Fitafy & Taovolo

Ny fitafy sy ny taovolo entina mivavaka dia manaraka didy avy Amin'Ny Zanahary avokoa : ny tanaivoho sy ny fitafiana lamba tahaka ny "sampilahy", izay efa fomba fanao hatrizay izany.

Fanontaniana mipetraka matetika

Iza Zanahary ? +
Zanahary no Namorona antsika, Namorona izao rehetra izao, Tompon'i Abrahama.
Inona no atao hoe "Fady" ? +
Ny fady dia ireo zavatra raran'Ny Zanahary.
Nahoana no fady ny kisoa ? +
Fady ny kisoa satria biby tsy mandinika sy tsy mivaky kitro.
Nahoana no fady ny tongolo ? +
Fady ny tongolo satria noentina nandevozina tany Egypta.
Inona no atao hoe FLP ? +
Ny atao hoe FLP dia ny Fiangonana Loharanom-pitahiana.

Hifandray aminay

Raha mbola misy ireo fanontaniana tianao apetraka dia mandefasa hafatra.